Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Filemona 1:21 - DIEM PROTESTANTA

Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, koa fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izaho no nanoratra ity taminao, dia matoky marina fa hoekenao ary hanao mihoatra noho izay angatahiko aza ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Noho ny fahatokiako fa hanaiky hianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, koa fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

Jereo ny toko



Filemona 1:21
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary dia mihevi-tena ho mpitarika ny jamba sy ho fanilon’izay anaty haizina ianao,


Izany indrindra no nanoratako taminareo: tsy sitrako ny ho tonga atỳ aminareo ka hampalahelovin’ireo olona izay tokony hampifaly ahy. Matoky anareo rehetra aho fa raha faly aho, dia faly koa ianareo rehetra.


Faly aho fa mahazo matoky anareo amin’ny zavatra rehetra.


Nalefanay hiaraka amin’izy ireo ilay rahalahinay izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo.


Kanefa izaho dia omen’ny Tompo toky momba anareo fa tsy hanan-kevitra hafa noho ny ahy ianareo; saingy ilay mpanakorontana anareo, na zovy na zovy izy, dia hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra.


Ary omen’ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.