Ary rehefa niala teo ry i Jakôba sy ny zanany, dia nampihorohoroin’Andriamanitra ireo tanàna manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.
Estera 8:17 - DIEM PROTESTANTA Isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny amperôra, dia ravoravo sy heni-kafaliana ny Jiosy ary nanao fanasana sy lanonana. Maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nanindry azy ny fahatahorana ny Jiosy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary teo amin’ny fari-piadidiana tsirairay manerana ny fanjakana sy teny amin’ny tanàna tsirairay izay nahatongavan’ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy haravoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro fifaliana. Ary maro ny olona tompon-tany no nitonon-tena ho Jiosy satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny amperôra, dia ravoravo sy heni-kafaliana ny Jiosy ary nanao fanasana sy lanonana. Maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nanindry azy ny fahatahorana ny Jiosy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary teo amin’ny isan-tokony eran’ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy. Malagasy Bible Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy. La Bible en Malgache Ary teo amin’ny fari-piadidiana tsirairay manerana ny fanjakana sy teny amin’ny tanàna tsirairay izay nahatongavan’ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy haravoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro fifaliana. Ary maro ny olona tompon-tany no nitonon-tena ho Jiosy satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy. |
Ary rehefa niala teo ry i Jakôba sy ny zanany, dia nampihorohoroin’Andriamanitra ireo tanàna manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.
Dia hoy indray i Hezrà tamin’ny vahoaka: –Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an’ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin’ny TOMPO no herinareo.
Koa, noho izany, ny Jiosy izay nitoetra tamin’ny tanàna madinika tany ambanivohitra dia nanao ny andro faha-14 amin’ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana ary fikoranana ka hifanateran-panomezana.
Tany amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa, dia nivory tao an-tanànany avy ny Jiosy mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahatohitra azy, satria nanindry ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
Ireo manko no andro nahafahan’ny Jiosy tamin’ny fahavalony, ary io no volana nampodiana ny alahelony ho fifaliana sy ny fisaonany ho fikoranana; dia hataony ho andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo ka hifanaterany fanomezana sy hahafoizany zavatra ho an’ny mahantra.
no nahatonga azy ireo hampijoro sy handraikitra izany fanao izany ho an’ny tenany sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy: dia ny hankalaza isan-taona ireo andro roa ireo araka ny voasoratr’i Môrdôkay sy araka ny fotoana voatendry.
Nanampy ny Jiosy koa ny mpitondra rehetra isam-paritany sy ny solotenan’ny amperôra ary ny governora mbamin’ny mpandraharaha, satria nanindry azy ny fahatahorana an’i Môrdôkay.
Ravoravo ny Ejiptianina rehefa niala ny Israelita, satria efa nianjadian’ny tahotra azy loatra.
Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben’ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.
Tsy hisy hahatohitra anareo fa hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo, araka ny nampanantenainy anareo.
Manomboka anio, dia hataoko mahazo ny firenena rehetra ambany lanitra ny horohoro sy tahotra anareo; ka vantany vao reny ny lazanareo, dia hangovitra sy hipararetra noho ny aminareo izy.»
Koa raha nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay ary tsy nisy olona sahy nitsangana hanohitra anareo intsony. Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitra any an-danitra ambony sy etỳ an-tany ambany.
ka niteny taminy hoe: –Fantatro fa efa nomen’ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.
Anontanio ny mpiandry ondrinao fa afaka hanamarina izany aminao. Koa miangavy i Davida ny hanehoanao fitiavana aminay, satria tonga amin’ny andro fety izahay. Ary mba omeo izay azonao omena ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»