Rehefa ren’ny fahavalonay tamin’ny firenena manodidina rehetra izany, dia raiki-tahotra ry zareo sady nahatsapa ny maha tsinontsinona azy. Ary niaiky ireo fahavalonay fa ilay Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.
Estera 7:6 - DIEM PROTESTANTA Ka novalian’i Estera hoe: –Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka i Hamana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka novalian’i Estera hoe: –Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka Hamana. Malagasy Bible Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana. La Bible en Malgache Fa hoy i Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka i Hamana. |
Rehefa ren’ny fahavalonay tamin’ny firenena manodidina rehetra izany, dia raiki-tahotra ry zareo sady nahatsapa ny maha tsinontsinona azy. Ary niaiky ireo fahavalonay fa ilay Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.
Dia nesorin’ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an’ilay fahavalon’ny Jiosy, dia i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga;
Dia nanontany an’i Estera mpanjakavavy ny amperôra Kserksesa nanao hoe: –Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?
Androtr’io ihany dia nomen’ny amperôra Kserksesa ho an’i Estera mpanjakavavy ireo fananan’i Hamàna fahavalon’ny Jiosy. I Môrdôkay koa, rehefa nampahafantarin’i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin’ny amperôra.
Raha manatona kosa ny olon-dratsy toy ny biby masiaka hamely ahy, dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo no ho lavo hitsikasina amin’ny tany.
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraka mahafaty; fa ny hendry kosa no manao izay hitonian’izany.
Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany.
Ary rehefa hiseho ilay mpanao ratsy, dia ny fofonaina avy amin’ny vavan’i Jesoa Tompo no hahafaty azy ary ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra no hanafoana azy.
Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.