Dia hoy kosa i Ahitôfela tamin’i Absalôma: –Mandehana mandry amin’ny vadikelin-drainao izay nasainy niandry ny trano. Ho fantatry ny Israelita rehetra fa nanao izay nahafa-baràka an-drainao ianao, ka dia hahery ny tanan’izay rehetra mpomba anao.
Estera 5:14 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Zeresa vadin’i Hamàna sy ireo sakaizany rehetra taminy: –Aoka ianao hampanamboatra hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin’ny amperôra ho any amin’ny fanasana. Ary sitrak’i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Asaivo misy manangana hazo, koa dimampolo hakiho ny haavony; ary rahampitso maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay. Koa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana ianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany ka nampanangana ilay hazo izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Zeresa vadin’i Hamàna sy ireo sakaizany rehetra taminy: –Aoka ianao hampanamboatra hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin’ny amperôra ho any amin’ny fanasana. Ary sitrak’i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana hianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy. Malagasy Bible Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy. La Bible en Malgache Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Asaivo misy manangana hazo, koa dimampolo hakiho* ny haavony; ary rahampitso maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay. Koa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana ianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany ka nampanangana ilay hazo izy. |
Dia hoy kosa i Ahitôfela tamin’i Absalôma: –Mandehana mandry amin’ny vadikelin-drainao izay nasainy niandry ny trano. Ho fantatry ny Israelita rehetra fa nanao izay nahafa-baràka an-drainao ianao, ka dia hahery ny tanan’izay rehetra mpomba anao.
Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an’i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.
Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: –Ny tenanao no manjaka amin’i Israely; koa miarena, dia mihinàna, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta ilay Jizrehelita.
Ary hoy indray ny amperôra hoe: –Iza no ao an-kianja ao? I Hamàna kosa no efa sendra niditra tao an-kianja. Tonga izy hangataka amin’ny amperôra ny hanantonana an’i Môrdôkay amin’ilay hazo efa nomanina ho azy.
Manatsoaka sabatra ireo olon-dratsy ary koa manenjana tsipîka mba handavoana ny ory sy ny mahantra ary hamonoana ny mahitsy fomba fiaina.
Tsikilovin’ny olon-dratsy ny olo-marina ary tadiaviny izay hahafaty azy, fa tsy avelan’ny Tompo ho azony na ho voaheloka any am-pitsarana.
Amin’izay dia hotanisaiko avokoa ireo anton-javatra iderako Anao; ao an-tanànan’i Tsiôna no hiravoako, satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.
Ireny olon-dratsy ireny kosa dia manotrika handatsaka ny ran’ny tenany ihany; ka mamela-pandrika hamelezan-tena.
Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.
Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra izany, ary fantatr’izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.
Mifaly sy miravo ary mifanatitra fanomezana ny mponina ambonin’ny tany noho ny nahafatesan’ireo, fa nampiferinaina ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.