Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.
Eksodosy 9:9 - DIEM PROTESTANTA Hitora-jofo manerana ny tany Ejipta izany, ka ho tonga vay mipoipoitra eny amin’ny olona sy ny biby fiompy eran’i Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hitora-jofo manerana ny tany Ejipta manontolo io ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy manerana ny tany Ejipta manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hitora-jofo manerana ny tany Ejipta izany, ka ho tonga vay mipoipoitra eny amin’ny olona sy ny biby fiompy eran’i Ejipta manontolo. Baiboly Katolika fa hitora-jofo eran’i Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vay amin’ny olona sy ny biby eran’ny tany Ejipta.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hitora-jofo eran’ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy eran’ny tany Egypta rehetra. Malagasy Bible Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny tany Egypta rehetra. La Bible en Malgache Dia hitora-jofo manerana ny tany Ejipta manontolo io ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy manerana ny tany Ejipta manontolo. |
Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.
Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Makà molaly eran’ny tanan-droanareo avy ao an-dafaoro, dia aoka hatsipin’i Mosesy savoan-danitra eo anatrehan’ny Farao izany.
Hamelezan’ny TOMPO anareo, tahaka ny hamelezany an’i Ejipta, ny vay isan-karazany sy ny hatina ary ny hazaka tsy andairam-panafody;
Hamelezan’ny TOMPO anareo ny vay ratsy, izay tsy andairam-panafody, dia vay ratsy hahavoa ny lohalikareo sy ny fenareo, ary hanenika ny tenanareo manontolo hatreo an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.
Dia nandeha ny anjely voalohany nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny tany; ka nisy vay mandoza sady mampahory nihatra tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny.