Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibehônita izy fito lahy ka nahanton’ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan’ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin’ny fiandohan’ny vaninandro fijinjana ôrza.
Eksodosy 9:31 - DIEM PROTESTANTA Simba avokoa ny rongony sy ny vary ôrza, fa efa niteraka ny ôrza ary efa mamony ny rongony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary efa ripaka ny tahon-drongony sy ny varimbazaha; fa efa niteraka ny varimbazaha ary efa namony ny tahon-drongony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Simba avokoa ny rongony sy ny vary ôrza, fa efa niteraka ny ôrza ary efa mamony ny rongony. Baiboly Katolika Ny rongony sy ny orja no levona; fa ny orja moa efa niteraka, ny rongony efa namony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony. Malagasy Bible Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony. La Bible en Malgache Ary efa ripaka ny tahon-drongony sy ny varimbazaha; fa efa niteraka ny varimbazaha ary efa namony ny tahon-drongony. |
Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibehônita izy fito lahy ka nahanton’ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan’ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin’ny fiandohan’ny vaninandro fijinjana ôrza.
Nasiako tamin’ny vary main’ny rivotra sy maty fotsy ianareo; nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo, nohanin’ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny ôliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
Dia toy izany no niverenan’i Nahômỳ avy any amin’ny faritr’i Môaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy môabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary ôrza.
Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy.