Mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy handroaka ny moka, kanefa tsy nahomby, fa mbola nisy moka ihany teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.
Eksodosy 9:11 - DIEM PROTESTANTA Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy ny ombiasy noho ny vay, satria ny vay dia nahavoa ny ombiasy mbamin’ny Ejiptiana rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy. Baiboly Katolika Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin’ny Egyptiana rehetra. Malagasy Bible Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra. La Bible en Malgache Ary tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy ny ombiasy noho ny vay, satria ny vay dia nahavoa ny ombiasy mbamin’ny Ejiptiana rehetra. |
Mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy handroaka ny moka, kanefa tsy nahomby, fa mbola nisy moka ihany teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.
Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.
Hitora-jofo manerana ny tany Ejipta izany, ka ho tonga vay mipoipoitra eny amin’ny olona sy ny biby fiompy eran’i Ejipta manontolo.
Dia nandeha ny anjely voalohany nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny tany; ka nisy vay mandoza sady mampahory nihatra tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny.