Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy.
Eksodosy 9:10 - DIEM PROTESTANTA Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy. Baiboly Katolika Koa nandraoka lavenona tao amin’ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan’i Faraôna, ary nataon’i Môizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin’ny olona sy ny biby. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naka lavenona tamin’ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia natopin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. Malagasy Bible Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy. La Bible en Malgache Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. |
Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Makà molaly eran’ny tanan-droanareo avy ao an-dafaoro, dia aoka hatsipin’i Mosesy savoan-danitra eo anatrehan’ny Farao izany.
Hitora-jofo manerana ny tany Ejipta izany, ka ho tonga vay mipoipoitra eny amin’ny olona sy ny biby fiompy eran’i Ejipta manontolo.
Hamelezan’ny TOMPO anareo, tahaka ny hamelezany an’i Ejipta, ny vay isan-karazany sy ny hatina ary ny hazaka tsy andairam-panafody;