Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.
Eksodosy 7:7 - DIEM PROTESTANTA Feno valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Aharòna fony nandeha niteny tamin’ny Farao izy mirahalahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Arona, fony niteny tamin’i Farao izy mirahalahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Aharòna fony nandeha niteny tamin’ny Farao izy mirahalahy. Baiboly Katolika Efa valopolo taona i Môizy ary telo amby valopolo taona i Aarôna, tamin’izy ireo niteny tamin’i Faraôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin’i Farao izy mirahalahy. Malagasy Bible Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin'i Farao izy mirahalahy. La Bible en Malgache Valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Arona, fony niteny tamin’i Farao izy mirahalahy. |
Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.
Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.
Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.
Rehefa feno efapolo taona i Mosesy, dia tapa-kevitra ny hamangy an’ireo Israelita havany.
Efapolo taona taorian’izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin’i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay.
Tsy mofo mba nohaninareo ary tsy divay na toaka mba nosotroinareo: niahy anareo ny TOMPO hahafantaranareo fa Izy no TOMPO Andriamanitrareo.
–Feno 120 taona androany aho ka tsy afa-misahana ny andraikitra fitarihana anareo intsony; sady ny TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Tsy hita io Jôrdàna io ianao!»
Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mosesy sy i Aharôna Aho ka namely an’i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo.