Famantarana sy zava-mahagaga no nalefany teo anivonao, ry Ejipta, mba hanafaizana ny Farao sy ireo mpanompony rehetra.
Eksodosy 7:10 - DIEM PROTESTANTA Dia nankao amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanatanteraka izay nandidian’ny TOMPO azy; natsipin’i Aharôna teo anatrehan’ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanàny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO. Natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny ka tonga menarana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nankao amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanatanteraka izay nandidian’ny TOMPO azy; natsipin’i Aharôna teo anatrehan’ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanàny. Baiboly Katolika Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Arona nankao amin’i Farao ka nanao araka izay efa nandidian’i Jehovah; dia natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. Malagasy Bible Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. La Bible en Malgache Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO. Natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny ka tonga menarana. |
Famantarana sy zava-mahagaga no nalefany teo anivonao, ry Ejipta, mba hanafaizana ny Farao sy ireo mpanompony rehetra.
Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Atsipazo amin’ny tany iny! Dia natsipin’i Mosesy tamin’ny tany izany ka tonga bibilava. Nandositra azy i Mosesy,
Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy.
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izay nandidian’ny TOMPO azy; ary teo imason’ny Farao sy ny tandapany no nanaingan’i Aharôna ny tehiny ka nikapohany ny ranon’i Neily, dia niova ho ra ny rano rehetra tao amin’ny ony.
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony.
–Raha mangataka anareo hanao zava-mahagaga ny Farao, dia lazaonao i Aharôna, ry Mosesy, mba handray ny tehinao ka hanipy azy eo anatrehan’ny Farao, dia hanjary fanàny iny.
na hiery any an-tampon’i Karmela aza ireo, dia hokarohiko sy halaiko any; na mihevitra hiafina tsy ho hitan’ny masoko any amin’ny fanambanin’ny ranomasina aza ireo, dia homeko didy ny trozonabe hanaikitra azy any;
handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.
Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan’ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.