kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,
Eksodosy 40:36 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin’ny fonena-masina ny rahona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin’ny fonena-masina ny rahona. Baiboly Katolika Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’Isiraely tamin’ny nandehanany rehetra; Malagasy Bible Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra; La Bible en Malgache Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely. |
kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,
Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.
Andry rahona no nitarihany azy tamin’ny antoandro ary ny hazavan’ny afo nandritra ny alina.
Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.
Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.
Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin’i Mosesy. Tambanin’ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra.