Eksodosy 40:31 - DIEM PROTESTANTA Nampiasain’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny zanany lahy izany mba hanasany ny tongony sy ny tanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo no nanadiovan’i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany ny tongony aman-tanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampiasain’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny zanany lahy izany mba hanasany ny tongony sy ny tanany. Baiboly Katolika ary nanasa ny tanany sy ny tongony teo i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary teo no nanasan’i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany. Malagasy Bible Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany. La Bible en Malgache Teo no nanadiovan’i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany ny tongony aman-tanany. |
Napetraka teo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an’ny fidiovana, ary nofenoina rano.
Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.