Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an’ireo vehivavy niasa teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin’izany.
Eksodosy 40:30 - DIEM PROTESTANTA Napetraka teo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an’ny fidiovana, ary nofenoina rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny koveta dia nataony teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ka nasiany rano ho fidiovana tao anatiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Napetraka teo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an’ny fidiovana, ary nofenoina rano. Baiboly Katolika Napetrany teo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana. Malagasy Bible Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana. La Bible en Malgache Ny koveta dia nataony teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ka nasiany rano ho fidiovana tao anatiny. |
Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an’ireo vehivavy niasa teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin’izany.
avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Nampiasain’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny zanany lahy izany mba hanasany ny tongony sy ny tanany.
hapetraka eo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin’ny fidiovana, ary hofenoina rano.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.
koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.