Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:24 - DIEM PROTESTANTA

Napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana tamin’ny lafiny atsimo, manoloana ny latabatra, ny fitoeran-jiro;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny fitoeran-jiro dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana tamin’ny lafiny atsimo, manoloana ny latabatra, ny fitoeran-jiro;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nataony teo an-trano lay fihaonana koa ny fanaovan-jiro, tandrifin’ny latabatra, amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafin’ny tabernakely atsimo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny fitoeran-jiro dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:24
13 Rohy Ifampitohizana  

Fanilon’ny diako ny teninao sy fanazavana ny làlan-kizorako.


Hapetraka ao amin’ny fonena-masina, eo amin’ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin’ny lafiny atsimo.


ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


dia narehitra ny jiro teo anatrehan’ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony.


Tamin’ny voalohany, fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin’Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra.


Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin’ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.


Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin’izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra.


Tamin’izay dia nitenenan’i Jesoa indray ny vahoaka nataony hoe: –Izaho no fahazavana ho an’izao tontolo izao; izay miaraka amiko tsy mba handeha anatin’ny haizina, fa hanana ny fahazavana vokatry ny aina!


Izao no hevi-miafina fonosin’ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.


Koa tsarovy izay nitoeranao fony mbola tsy lavo, dia ialao ny toe-dratsinao, ka ataovy indray ny asanao tany am-boalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanaisotra ny fitoeranjironao amin’izay misy azy, raha toa tsy ialanao ny toe-dratsinao.