Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:19 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Novelariny teo ambonin’ny tabernakely koa ny lay ary nataony teo amboniny ny rakotry ny tranolay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary namelatra ny lay teo ambonin’ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Novelariny teo ambonin’ny tabernakely koa ny lay ary nataony teo amboniny ny rakotry ny tranolay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Mosesy natsangana ny fonena-masina, ka napetraka ny faladiany sy ny hazo fisaka ary ny barany mbamin’ny andry.


Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.


hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana,