Eksodosy 39:29 - DIEM PROTESTANTA Fa ny fehikibo vita peta-kofehy no natao tamin’ny kiran-drongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fehikibo koa dia lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy ary jaky, asan’ny mpahay tenona samihafa soratra, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny fehikibo vita peta-kofehy no natao tamin’ny kiran-drongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Katolika ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Ny fehikibo koa dia lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy ary jaky, asan’ny mpahay tenona samihafa soratra, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.
Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.
«Farany dia hanenomana akanjo lava vita rongony i Aharôna, ary hanaovana satroka fehiloha rongony sy fehikibo vita peta-kofehy.
notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.
Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»