Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:27 - DIEM PROTESTANTA

Ny 3 000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an’ireo andrin’ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny 3 000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an’ireo andrin’ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray.

Jereo ny toko



Eksodosy 38:27
6 Rohy Ifampitohizana  

ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin’ny lahiny roa.


miaraka amin’ny faladia volafotsy efapolo; ka faladiany roa avy isaky ny hazo fisaka.


Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.


Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.


Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.


Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon’ny andry sy nandrakofana ny lohan’ny andry mbamin’ireo anjaka nampitohy ny andry.