Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.
Eksodosy 38:26 - DIEM PROTESTANTA Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana. Baiboly Katolika Bekà iray isan’olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan’olona, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy. Baiboly Protestanta Malagasy beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan’izay rehetra voalamina, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy. Malagasy Bible beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy. La Bible en Malgache Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy. |
Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.
–Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.
Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,
Ny 3 000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an’ireo andrin’ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.
–Ataovy ny fanisana ny fiangonan’ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran’ny lehilahy rehetra,
dia izay vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Ianao sy i Aharôna no hanisa ireo araka ny tafika misy azy avy.
Ny vatan-dehilahy israelita voaisa araka ny foko sy araka ny toby nisy ireo tafika dia tafakatra 603 550 ny fitambarany.
–Manaova fanisàm-bahoaka isam-pianakaviana eo amin’ny Fiangonan’i Israely, dia izay lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana.
Nony tonga tao Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nanatona an’i Petera ireo mpandray ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly, ary nanontany azy hoe: –Moa tsy mandoa ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?