–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.
Eksodosy 38:24 - DIEM PROTESTANTA Ny fitambaran’ny volamena izay nataon’ny Israelita fanatitra, ka nampiasaina tamin’ny fanaovana ny Toeramasina dia 877 kilao sy 300 grama araka ny lanja fampiasa tao amin’ny Toeramasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Talenta sivy amby roapolo ary sekela telopolo amby fitonjato, araka ny sekela masina, ny fitambaran’ny volamena lany tamin’ny asa rehetra tamin’ny fitoerana masina dia ny volamena izay natao fanatitra asandratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fitambaran’ny volamena izay nataon’ny Israelita fanatitra, ka nampiasaina tamin’ny fanaovana ny Toeramasina dia 877 kilao sy 300 grama araka ny lanja fampiasa tao amin’ny Toeramasina. Baiboly Katolika Ny tontalin’ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin’ny fanatitra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin’ny asa rehetra tamin’ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva. Malagasy Bible Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva. La Bible en Malgache Talenta* sivy amby roapolo ary sekela telopolo amby fitonjato, araka ny sekela masina, ny fitambaran’ny volamena lany tamin’ny asa rehetra tamin’ny fitoerana masina dia ny volamena izay natao fanatitra asandratra. |
–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.
Hapetrakao eo am-pelatanan’i Aharôna sy ny zanany ireo, ka hasainao ahevahevany eo anatrehako ho fanatitra ahevaheva.
ary kasia dimy kilao, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina, miampy diloilon’ôliva enina litatra.
Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.
«Ny tombam-bidy rehetra dia araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina no hanaovana azy; ka milanja folo grama ny sekela iray.
dia araka ny vola tombananao haloany no hanefany voady; «Olona roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona: ho an’ny lehilahy, dia sekela volafotsy dimampolo, araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina;
«Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin’ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.
Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran’izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama.
dia hakanao sekela dimy isan’olona; ka araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina, izany hoe sekela iray milanja folo grama, no hangalanao azy.