Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.
Eksodosy 37:6 - DIEM PROTESTANTA Nanaovany sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia nirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ny volamena tsy miharo izy: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanaovany sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia nirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany. Baiboly Katolika Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Malagasy Bible Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. La Bible en Malgache Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ny volamena tsy miharo izy: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany. |
Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.
dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,
Nanefeny kerobima roa volamena tamin’ny sakany roa teo ambonin’ny saron’ny Vatamasina.
Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra
fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan’ny lalàna jiosy,
I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.
Teo ambonin’io vata io dia nisy sarina kerobima mamirapiratra izay nanaloka ny toerana fanaovana sorom-panonerana. Tsy ary voalaza amin’ny antsipiriany etoana ny zavatra rehetra!
Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.