Eksodosy 34:5 - DIEM PROTESTANTA Nidina tao tamin’ny andry rahona ny TOMPO, ka nijanona tao niaraka tamin’i Mosesy. Nambarany azy ny anarany hoe «Ny TOMPO». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO nidina tao anatin’ny rahona ka nijanona teo, teo akaikiny, dia nanonona ny anaran’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nidina tao tamin’ny andry rahona ny TOMPO, ka nijanona tao niaraka tamin’i Mosesy. Nambarany azy ny anarany hoe «Ny TOMPO». Baiboly Katolika Dia nidina tao anatin’ny rahona i Iaveh ka niara-nijanona taminy teo, sy nanonona ny anarana hoe; Iaveh! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah nidina tao anatin’ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’i Jehovah. Malagasy Bible Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO nidina tao anatin’ny rahona ka nijanona teo, teo akaikiny, dia nanonona ny anaran’NY TOMPO. |
Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.
Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka.
Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako.
Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.
Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin’i Mosesy ny TOMPO.
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:
Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Ary nidina teo amin’ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin’i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin’i Mosesy ka nanomezany ho an’ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.
Nidina tanatin’ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny Tranolay ary niantso an’i Aharôna sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,
Koa ankehitriny, Tompo ô, mitalaho aminao aho, asehoy ny herinao araka ny teninao hoe:
Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!