Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.
Eksodosy 28:34 - DIEM PROTESTANTA Ny sarin’ampongabendanitra dia hifanelanelana amin’ny lakolosy kely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 io dia lakolosy kely volamena sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ny morontongotry ny akanjobe. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny sarin’ampongabendanitra dia hifanelanelana amin’ny lakolosy kely. Baiboly Katolika lakolosy kely volamena dia sarin’ampongabendanitra, manaraka ny morontongotry ny akanjo lava manodidina hatrany. Baiboly Protestanta Malagasy dia famohamandry sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ny morontongotry ny akanjo ivelany. Malagasy Bible dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany. La Bible en Malgache io dia lakolosy kely volamena sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ny morontongotry ny akanjobe. |
Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.
Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia horavahana sarin’ampongabendanitra vita amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.
Hanaovan’i Aharôna io fanamiana io rehefa manao ny raharaha maha mpisorona izy: koa rehefa hiseho eo anatrehako ao amin’ny Toeramasina izy, na hiala tao, dia ho heno ny feon’ny lakolosy kely ka tsy ho faty izy.
Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia natao manontolo tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy.
Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon’ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon’ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon’io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,
Toa ribà mena ny molotrao; ary mahafatifaty ny vavanao. Menamena toa hasin’ampongabendanitra ireo takolakao anatin’ny voalinao.
Midina ao an-jaridainam-boankazo aho hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
Hoentiko any an-tranon’i Neny ianao mba hampianatra ahy ny fitiavana; dia divay nolaroina zava-manitra sy ranon’ampongabendanitro no hampisotroiko anao.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.
Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,