Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.
Eksodosy 28:18 - DIEM PROTESTANTA ny laharana faharoa dia robisy sy safira ary diamondra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny andalana faharoa dia robisy sy safira ary oniksa; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny laharana faharoa dia robisy sy safira ary diamondra; Baiboly Katolika Ny andalana faharoa: ekarbokla, safira, diamondra iray avy. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa; Malagasy Bible ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa; La Bible en Malgache ny andalana faharoa dia robisy sy safira ary oniksa; |
Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.
Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra.
horavahana laharam-batosoa efatra: ny laharana voalohany dia sardoanina sy tôpaza ary emeralda;
Ny tanany dia toa haba volamena izay nopetahana vatosoa. Ny tenany dia miendrika takelaka ivoary feno safira.
Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;
Tazako tao fa nisy toa sezafiandrianana miendrika vato safira; ary teo ambonin’izany toa sezafiandrianana izany, terỳ an-tampon’ny andohalambo dia nisy hoatra endrik’olombelona.
Ary nijery aho ka indro teo amin’ny habakabaka izay tambonin’ny lohan’ny kerobima fa nisy tahaka ny vato safira, ka mitovitovy amin’ny sezafiandrianana ny endriny; ary niseho teo ambonin’ireo kerobima ny Tompo.
Nividy entana betsaka taminao koa ny Edômita, ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.
Tao Hedèna, zaridainan’Andriamanitra, no niainanao, dia ilay Hedèna voahodidina tamboho rakotry ny vatosoa isan-karazany: robisy, tôpaza, diamondra, krizôlita, berila, jaspa, safira, robina, emeralda. Firavaka sy haingo volamena voaomana hatramin’ny andro nahariana anao no nentinao.
Ny tarehin’Ilay nipetraka dia namiratra tahaka ny vatosoa jaspa sy sardoanina; ary avana miendrika vatosoa emeralda no nanodidina ilay sezafiandrianana.