Manaraka ny halavan’ny lamba dia hozaraina roa ny iray metatra fanampiny, ka hikiraviravy eo an-daniny roa amin’ny fonena-masina, mba haharakotra azy.
Eksodosy 26:8 - DIEM PROTESTANTA Hitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 15 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray hafa dia efatra hakiho; hitovy refy ny ambainy iraika amby folo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 15 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany. Baiboly Katolika telopolo hakiho no ho lavan’ny ambainy iray, ary efatra hakiho no ho sakan’ny ambainy iray; ampitovîna daholo ny haben’ireo ambainy iraika ambin’ny folo ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ny halavan’ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ny folo. Malagasy Bible Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo. La Bible en Malgache Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray hafa dia efatra hakiho; hitovy refy ny ambainy iraika amby folo. |
Manaraka ny halavan’ny lamba dia hozaraina roa ny iray metatra fanampiny, ka hikiraviravy eo an-daniny roa amin’ny fonena-masina, mba haharakotra azy.
Hitovy avokoa ny refin’ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.
«Avy eo dia tranolay faharoa no hamboarina amin’ny lamba temitra 11 vita amin’ny volon’osy, mba handrakofana ny fonena-masina.
Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan’ny tranolay masina.