Ny latabatra voatokana dia napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana, terỳ amin’ny lafiny avaratra, teo anoloan’ny efitra lamba;
Eksodosy 26:35 - DIEM PROTESTANTA Hapetraka ao amin’ny fonena-masina, eo amin’ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin’ny lafiny atsimo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Apetraho eo ivelan’ny efitra ny latabatra ka ny fitoeran-jiro ho tandrifin’ny latabatra amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely; ary ny latabatra dia ataovy eo amin’ny lafiny avaratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hapetraka ao amin’ny fonena-masina, eo amin’ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin’ny lafiny atsimo. Baiboly Katolika Hapetrakao eo ivelan’ny efitra lamba ny latabatra, ary eo anoloan’ny latabatra, amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana, ny fanaovan-jiro, fa amin’ny avaratra no hametrahanao ny latabatra.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary apetraho eo ivelan’ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin’ny latabatra amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin’ny lafiny avaratra. Malagasy Bible Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra. La Bible en Malgache Apetraho eo ivelan’ny efitra ny latabatra ka ny fitoeran-jiro ho tandrifin’ny latabatra amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely; ary ny latabatra dia ataovy eo amin’ny lafiny avaratra. |
Ny latabatra voatokana dia napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana, terỳ amin’ny lafiny avaratra, teo anoloan’ny efitra lamba;
Napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana tamin’ny lafiny atsimo, manoloana ny latabatra, ny fitoeran-jiro;
Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony.
Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.