Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 26:3 - DIEM PROTESTANTA

Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy hafa koa dia havitrana ho iray.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Havitrana ho iray ny ambainy dimy, dia havitrana ho iray koa ny ambainy dimy hafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy hafa koa dia havitrana ho iray.

Jereo ny toko



Eksodosy 26:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Hitovy avokoa ny refin’ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.


Hopetahana kofehy volon’ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.


Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan’ny tranolay masina.


Natambany ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia nataony toy izany koa ny dimy hafa.


Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray ô, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Voazarazara ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy Masina dia iray ihany.


Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan’ny famavàny rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan’ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin’ny fitiavana.


Tsy mifikitra amin’i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin’ny alalan’ny hozatra amam-pamavàny ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak’Andriamanitra.


Miezaka mafy aho mba ho tafaray tsara amin’ny fitiavana izy ireo ka hampaherezina ny fony ary mba hanan-toky be dia be vokatry ny fahazavan-tsaina omen’Andriamanitra; hany ka ho fantatr’izy ireo tsara ilay tsiambaratelon’Andriamanitra, dia i Kristy: