Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Eksodosy 25:18 - DIEM PROTESTANTA Hanefena kerobima roa volamena amin’ny sakany roa eo ambony saron’ny Vatamasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova koa kerobima volamena roa; vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana, eo amin’ny sakany roa, no hanaovanao azy roa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanefena kerobima roa volamena amin’ny sakany roa eo ambony saron’ny Vatamasina. Baiboly Katolika Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ny sakany roa amin’ny rakotra fanaovam-panavotana’ Malagasy Bible Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana La Bible en Malgache Manaova koa kerobima* volamena roa; vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana, eo amin’ny sakany roa, no hanaovanao azy roa. |
Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
ary ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana vovo-javamanitra. Farany, nomen’i Davida an’i Salômôna ny sarin’ilay kalesy misy ireo kerobîma volamena izay samy manana elatra mivelatra manarona ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.
Tao amin’ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy.
«Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany.
Hovoasana mitambatra amin’ny saron’ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, eo amin’ny sakany avy.
Mitambatra ho iray ihany amin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ka samy ho volamena madio avokoa izy rehetra.
Ary hoy ny Tompo tamin’ilay lehilahy miakanjo rongony: «Midira ao anatin’ny tadio anelanelan’ny kodiarana eo ambany kerobima. Fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia hitako nandeha naka ny vainafo ralehilahy.
Teo amoron’ny ony Kebara no efa nahitako ireo zava-miaina ireo nijoro teo ambanin’Andriamanitr’i Israely, ka fantatro ankehitriny fa kerobima ireo.
Fa raha mbola nankao izy, dia nijanona teo amin’ny ilany ankavanan’ny tempoly ireo kerobima, ary feno raho-matevina ny kianja anatiny.
Teo ambonin’io vata io dia nisy sarina kerobima mamirapiratra izay nanaloka ny toerana fanaovana sorom-panonerana. Tsy ary voalaza amin’ny antsipiriany etoana ny zavatra rehetra!
Dia naniraka olona nankany Silao ny vahoaka mba haka ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, dia ilay TOMPO mipetraka eo ambony kerobima. Nanaraka io Vatamasina io ny zanak’i Helỳ roa lahy, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa.