Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo.
Eksodosy 23:30 - DIEM PROTESTANTA Horoahiko tsikelikely ny fahavalonareo, arakaraka ny hihamaroanareo ka handraisanareo ny tany ho anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahatonganao ho maro ka handova ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Horoahiko tsikelikely ny fahavalonareo, arakaraka ny hihamaroanareo ka handraisanareo ny tany ho anareo. Baiboly Katolika Fa horoahiko tsikelikely eo anoloanao izy mandra-pahamaro isa anao, ka hahazoanao mizaka ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany. Malagasy Bible Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany. La Bible en Malgache Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahatonganao ho maro ka handova ny tany. |
Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo.
Anisany koa ny faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Libano sy i Misrefôta-Maina izay Tsidônianina avokoa no monina ao. Izaho no handroaka ireny mponina ireny eo anoloan’ny Israelita; fa ianao kosa no hizara antsapaka ny taniny ho lovan’ny Israelita araka izay efa nandidiako anao.
Indreo efa voazarako antsapaka taminareo mba ho lovan’ny fokonareo na ny firenena izay mbola tavela na ny firenena rehetra izay efa nofongorako, manomboka eo Jôrdàna any atsinanana ka miafara eo amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
Ary ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no handroaka ireo firenena mbola tavela ireo sy hampandositra azy eo anoloanareo; ka hanjary ho fanananareo ny taniny araka izay efa nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
Firenena lehibe sy mahery no efa noroahin’ny TOMPO teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatohitra anareo mandraka androany.