dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.
Eksodosy 23:26 - DIEM PROTESTANTA Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao. Hataoko feno ny isan’ny andronao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo. Baiboly Katolika Tsy hisy vehivavy afa-jaza, na vehivavy momba eo amin’ny taninao, ary hofenoiko isa ny andronao.» Baiboly Protestanta Malagasy Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao; hotanterahiko ny isan’ny andronao. Malagasy Bible Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao. La Bible en Malgache Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao. Hataoko feno ny isan’ny andronao. |
dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.
no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin’ny razany. I Hesao sy i Jakôba zanany no nandevina azy.
Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.
Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin’ny fotoam-pararano.
Ny sompitray anie ho feno hika, ho hipoka vokatra isan-karazany! Ny biby fiompy any an-tsahanay anie hitombo arivoarivo sy alinalina!
Apetraho amin’ny TOMPO ny fiahianao, fa Izy no hanohana anao; na oviana na oviana ny olo-marina tsy havelany hangozohozo.
Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.
Tsy hisy ao intsony ny zaza minono izay ho faty anatin’ny andro vitsivitsy na ny antitra tsy hahatapitra ny androny; fa ho maty tanora izay maty zato taona, ary heverina ho olona voaozona izay tsy mahatratra zato taona.
TOMPO ô, inona no sazy mba homenao azy? Ataovy momba sy tsy afa-mampinono ireo vehivavy ao aminy!
Ho maro anaka ianareo, hiavosa ny vokatry ny taninareo ary ho maro taranaka ny biby fiompinareo, dia ny omby sy ondry aman’osinareo.
Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.
Hotahîny mihoatra noho ny firenena hafa rehetra ianareo; tsy hisy lahy na vavy momba eo aminareo na eo amin’ny biby fiompinareo.