Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 23:23 - DIEM PROTESTANTA

«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin’ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia hofongorako ireny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin’ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko hitondra anao ho any amin’ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Kananeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, dia haringako ireny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia hofongorako ireny.

Jereo ny toko



Eksodosy 23:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.


Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.


Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany.


«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.


koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Fa novalian’i Aharôna hoe: –Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.


«Noho izany, hoy ny Tompo, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»


Ho tsapanareo anio fa ny TOMPO Andriamanitrareo no efa hiampita eo alohanareo tahaka ny afo mandevona, ka Izy mihitsy no handringana ireny firenena ireny sy hampietry azy eo anoloanareo; dia handroaka azy ianareo ka hamongotra azy faingana, araka izay nampanantenain’ny TOMPO taminareo.


Firenena lehibe sy mahery no efa noroahin’ny TOMPO teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatohitra anareo mandraka androany.


Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?


Ary ny vaovao momba ny faharavàn’i Hay dia ren’ireo mpanjaka izay teny amin’ny faritra rehetra andafy andrefan’i Jôrdàna; teny amin’ny havoana sy teny amin’ny lemak’i Sefelà ary teny amin’tany rehetra amoron’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amôrita mbamin’ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita