Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
Eksodosy 23:22 - DIEM PROTESTANTA Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon’izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha mihaino ny feony tokoa ianao ka manao izay rehetra lazaiko dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon’izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo. Baiboly Katolika Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao. Baiboly Protestanta Malagasy fa ny anarako no ao aminy. Fa raha hihaino ny feony tokoa hianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho. Malagasy Bible Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho. La Bible en Malgache Fa raha mihaino ny feony tokoa ianao ka manao izay rehetra lazaiko dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho. |
Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
Salamo nataon’i Davida. TOMPO ô, tohero izay mpanohitra ahy ary iadio izay miady amiko.
Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben’ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.
Hanjary toy ny fahiny ianareo, ry taranak’i Jakôba: hotohizinareo indray ny fivorianareo eo anatrehako, ary hirotsaka an-tsehatra Aho hamely ireo nampahory anareo.
sady nandidy azy hoe: –Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: «Tsy ho tanànamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.
Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany, ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia. Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy, ka manapatapaka ny taolany sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.
Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»
Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianareo;
Ary hampiharin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fahavalo mpankahala sy mpanenjika anareo ireny ozona rehetra ireny.
Satria izao no ara-drariny amin’Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo,
Fa novalian’ny Israelita hoe: –Angamba etỳ akaikinay etỳ ihany ianareo no monina, koa ahoana no hanaovanay fanekempihavanana aminareo?