Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.
Eksodosy 22:30 - DIEM PROTESTANTA «Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny. Baiboly Katolika Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho olona masina ho Ahy hianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an’ny amboa izany. Malagasy Bible Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany. La Bible en Malgache Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa. |
Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.
dia atolory ho an’ny TOMPO ny voalohan-teraka rehetra; fa an’ny TOMPO ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinareo.
Dia namaly aho hoe: –Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin’ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty ho azy na voaviraviran’ny bibidia aho, ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.
Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Masina Aho ka mitandrema tena mba ho masina ianareo; ary aoka ny tenanareo tsy holotoinareo amin’izay bibikely mandady amin’ny tany.
Fa Izaho no TOMPO Izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo; ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.»
«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.
«Raha misy omby na ondry na osy vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny mandritra ny fito andro izy; fa manomboka amin’ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hahazoana sitraka izy raha atao sorona levonina amin’ny afo ho AHY.
Tsy hohanin’ny mpisorona koa ny henam-biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia, mba tsy hahatonga azy ho voaloto. Izaho no TOMPO.
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Aza misy hanina ny tavin-kenan’ireo biby fanao sorona, na ny an’ny omby, na ny an’ny ondry, na ny an’ny osy.
Ny tavin-kenan’ny biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia kosa dia azo anaovan-javatra hafa ihany, saingy tsy azonareo hanina velively.
Aza mihinam-biby maty ho azy fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanareo izany mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena. Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo dia hatokanareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinareo.