Fa naka antoka tsy an-drariny tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny hany fitafiana teny an-kodiny.
Eksodosy 22:26 - DIEM PROTESTANTA satria tsy manana afa-tsy iny mba hirakofana sy hiarovan-tena izy. Raha tsy misy an’iny, inona àry no hirakofany rehefa hatory? Hiantso vonjy Amiko izy, ka hihaino azy Aho, satria izaho dia Andriamanitra be fangorahana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria tsy manana afa-tsy iny mba hirakofana sy hiarovan-tena izy. Raha tsy misy an’iny, inona àry no hirakofany rehefa hatory? Hiantso vonjy Amiko izy, ka hihaino azy Aho, satria izaho dia Andriamanitra be fangorahana. Baiboly Katolika «Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro, Baiboly Protestanta Malagasy Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin’ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. Malagasy Bible Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. La Bible en Malgache Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. |
Fa naka antoka tsy an-drariny tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny hany fitafiana teny an-kodiny.
Mandry miboridana izy amin’ny alina; fa tsy manan-damba hisaronana; tsy mba mirakotra izy raha mangatsiaka.
Na dia ny kamboty mbola minono aza dia sarihin’ny olon-dratsy ho mpanompony, ary ataony ho antoky ny mahantra.
Izany no nanesika ny mahantra sy ory hiantso vonjy amin’Andriamanitra; ka henony tokoa ny fitarainany.
Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian’ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.
Niantso vonjy aho fa olo-mahantra ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny tamin’izay fahoriako rehetra.
Raha misy olona sahy miantoka trosan’olona vahiny, dia tano ny akanjony ho antoka ny amin’io olon-tsy fantatra io.
Tsy mitsentsitra na mangalatra izy sady tsy mitaky antoka amin’ny mpitrosa ary manome hanina ho an’ny noana sy fitafiana ho an’ny tsy manana,
Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin’ny mpitrosa, ary manome hanina ho an’ny noana sy fitafiana ho an’ireo tsy manana.
Raha mamerina ny zavatra natao tsatòka izy sady mampody izay nangalariny, raha tsy manao ratsy intsony fa mankatò ny lalàna izay manome fiainana, dia tsy ho faty izy fa ho velona tokoa.
Lamba nomen’ny mahantra ho antoka no itsilailaizany eny akaikin’ny alitara rehetra eny; ary divay azo avy amin’ny sazy no sotroiny ao an-tempolin’ireo andriamaniny.
Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.
Aza misy maka ny vato roa fikoseham-bary na ny vatony ambony ho antoka, fa maka aina ho antoka izany.