Nisy indray nanao hoe: «Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ny amperôra; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka.
Eksodosy 22:14 - DIEM PROTESTANTA Fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofàna moa izany, dia ho vitan’ny hofany ihany ny onitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofàna moa izany, dia ho vitan’ny hofany ihany ny onitra. Baiboly Katolika «Raha misy olona mindram-biby amin’ny namany, ka tapaka na maty ilay biby tsy teo anatrehan’ny tompony, dia hisy onitra; Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan’ny hofany izany. Malagasy Bible Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany. La Bible en Malgache Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany. |
Nisy indray nanao hoe: «Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ny amperôra; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka.
dia tsy maintsy handoa vola onitra amin’ny tompom-biby ilay tompon’ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.
Fa raha tàhiny kosa nangalarina tao aminy tokoa izany biby izany, dia handoa onitra amin’ny tompon-javatra izy.
«Raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka maratra na maty ilay biby nefa tsy teo anatrehan’ny tompony, dia tsy maintsy manonitra izy.
«Raha misy olona mahasarika tovovavy tsy mbola voafofo ka mandry aminy, dia tsy maintsy mandoa vodiondry izy ka mampakatra azy ho vadiny.
Fa izay mahafaty biby fiompy kosa, dia hanonitra azy: biby velona no solon’ny biby maty.
Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin’ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.
ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo.