Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:13 - DIEM PROTESTANTA

«Raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka maratra na maty ilay biby nefa tsy teo anatrehan’ny tompony, dia tsy maintsy manonitra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka tapaka na maty io, nefa tsy teo ny tompony, dia hanonitra tokoa izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka maratra na maty ilay biby nefa tsy teo anatrehan’ny tompony, dia tsy maintsy manonitra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary raha voaviraviram-biby masiaka ny biby, izay sisa tsy laniny no hoentiny ho vavolombelona, dia tsy hanonitra ilay biby voaviravira izy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha misy olona mindran-javatra amin’ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka tapaka na maty io, nefa tsy teo ny tompony, dia hanonitra tokoa izy.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Raha voaviraviran’ny bibidia ilay izy, dia hoentina ho porofo ny sisa tavela aminy; ka amin’izay dia tsy hanonitra izy.


Fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofàna moa izany, dia ho vitan’ny hofany ihany ny onitra.


Dia namaly aho hoe: –Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin’ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty ho azy na voaviraviran’ny bibidia aho, ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa misy ondry azon’ny liona, dia tongotra roa na sombin-tsofina no tsoahan’ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona; toy izany ny amin’ireo Israelita izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron’ny saofà na eo ambony fandriana malemilemy: Vitsivitsy ihany no hovonjena.»


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Fa aiza ankehitriny ilay tanàna izay toy ny zohy fieren’ny liona sy fihinanan’ny zanany? Rehefa lasa miremby ny liona, dia tsy nisy sahy nanakotaba ny zanany.