Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 21:34 - DIEM PROTESTANTA

dia tsy maintsy handoa vola onitra amin’ny tompom-biby ilay tompon’ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hanonitra vola ho an’ny tompon’ilay omby ny tompon’ilay lavaka; ary ho azy ilay biby maty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia tsy maintsy handoa vola onitra amin’ny tompom-biby ilay tompon’ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin’ny biby maty, ho azy».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an’ny tompony; ary ny maty dia ho azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hanonitra vola ho an’ny tompon’ilay omby ny tompon’ilay lavaka; ary ho azy ilay biby maty.

Jereo ny toko



Eksodosy 21:34
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.


«Raha misy olona manokatra lava-drano na mandavaka lava-drano nefa tsy mandrakotra azy, ka misy omby na boriky latsaka ao,


«Raha misy ombilahin’olona mandratra mahafaty ny ombilahin’ny namany, dia hamidiny ny ombilahy velona ka hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy toy izany koa ilay maty.


Fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofàna moa izany, dia ho vitan’ny hofany ihany ny onitra.


«Raha misy omby na boriky na ondry na osy nangalarina ka tratra mbola velona eo amin’ilay mpangalatra, dia haveriny amin’ny tompony avo roa heny iny.


«Mety hisy olona manome vola na fanaka hotehirizin’ny namany ka nisy nangalatra tao an-tranony. Koa raha hita ilay nangalatra, dia hanonitra avo roa heny;


Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny ka hanome izay ananany rehetra ao an-tranony.


Raha mamerina ny zavatra natao tsatòka izy sady mampody izay nangalariny, raha tsy manao ratsy intsony fa mankatò ny lalàna izay manome fiainana, dia tsy ho faty izy fa ho velona tokoa.