Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
Eksodosy 21:14 - DIEM PROTESTANTA Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza. Baiboly Katolika Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ny namany hamono azy amin’ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. Malagasy Bible Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. La Bible en Malgache Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty. |
Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
I Jôiadà mpisorona moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nomeny baiko ny kapiteny mpifehy miaramila ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eny anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamelà ahy amin’ny ota tsy nahy.
Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin’ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!
«Raha vy no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay manao izany ka hatao maty.
Dia niteny taminareo aho fa tsy nohenoinareo; nolavinareo ny tenin’ny TOMPO, ary nanao sahisahy ianareo ka nananika iny faritra havoana iny.
Raha hoe miteny amin’ny anaran’ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain’ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.
«Ho voaozona anie izay mahafaty an-takona ny namany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
Satria efa nandray ny fahalalana tsara ny fampianarana marim-pototra isika no mbola minia manota ihany, dia tsy misy sorona ho afa-manala ny ota intsony;
indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin’ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an’i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;