Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 20:22 - DIEM PROTESTANTA

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ianareo mihitsy no nahita fa avy any an-danitra Aho no niteny taminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Ianareo dia efa nahita fa avy tany an-danitra no nitenenako taminareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ianareo mihitsy no nahita fa avy any an-danitra Aho no niteny taminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hilaza amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Efa nahita ianareo izay, fa niteny taminareo Aho tany an-danitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ny Zanak’Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Ianareo dia efa nahita fa avy tany an-danitra no nitenenako taminareo.

Jereo ny toko



Eksodosy 20:22
6 Rohy Ifampitohizana  

Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.


Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany?


Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.


ka nitondra ny teninareo tamiko hoe: «Indro efa nampahitan’ny TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany izahay sady efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa tsapanay androany fa itenenan’Andriamanitra ny olona saingy mbola velona aina ihany.


Satria iza moa tamin’ny olombelona rehetra no efa nandre tahaka anay ny feon’ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anatin’ny afo, ka velona aina ihany?