Eksodosy 20:21 - DIEM PROTESTANTA Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, fa i Mosesy kosa dia nanakaiky ny haizim-pito izay nitoeran’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra. Baiboly Katolika Dia nijanona teny lavitra teny ihany ny vahoaka, fa i Môizy no nanatona ny rahona izay nisy an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’Andriamanitra. Malagasy Bible Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra. La Bible en Malgache Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, fa i Mosesy kosa dia nanakaiky ny haizim-pito izay nitoeran’Andriamanitra. |
Tao anaty raho-mainty Izy no niafina ka voahodidina rahona matevina izay ngalingaly toa rano lalina.
Nisy setroka nidonaka avy teo an’orony ary afo mandevona avy teo am-bavany, ka narahina tselatra mandoro izany.
Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy; rariny sy hitsiny no iorenan’ny fanjakany.
Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.
Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
Izaho kosa teo anelanelan’ny TOMPO sy ianareo tamin’izany andro izany mba hanambara aminareo ny tenin’ny TOMPO, satria natahotra teo am-pahitana ilay afo manko ianareo ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra. Fa hoy ny TOMPO hoe:
Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.