ary dia avelao ny heloky ny vahoakanao izay efa nanota taminao sy ny fahadisoana rehetra izay vitany taminao. Enga anie hataonao mahazo indrafo amin’ny mpamabo azy, ka hamindrany fo tokoa.
Eksodosy 2:6 - DIEM PROTESTANTA Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe: –Zanaka Hebreo ity! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony nosokafany dia hitany ny zazakely; ary indro zazalahy mitomany. Dia onena azy izy ka niteny hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe: –Zanaka Hebreo ity! Baiboly Katolika Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy dia nanao hoe: «Zanaky ny Hebrio itony.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity. Malagasy Bible Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity. La Bible en Malgache Nony nosokafany dia hitany ny zazakely; ary indro zazalahy mitomany. Dia onena azy izy ka niteny hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity! |
ary dia avelao ny heloky ny vahoakanao izay efa nanota taminao sy ny fahadisoana rehetra izay vitany taminao. Enga anie hataonao mahazo indrafo amin’ny mpamabo azy, ka hamindrany fo tokoa.
Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.
Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.
Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.
Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: –Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?
Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.
Tsy maintsy handefa ny andevony hebreo na lahy na vavy ho afaka ny olona tsirairay, ka tsy hisy intsony hampanompo ny taranak’i Joda mpiray firenena aminy.
fa nony voatery nariana, dia nalain’ny zanakavavin’ny Farao ka nobeaziny toy ny zanany.
Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.