Dia nitsangana i Hezrà ka nampianiana ny lohandohan’ireo mpisorona levita sy ireo filohan’ny Israelita hanao araka izany tolokevitr’i Sekanià izany; ary dia nianiana ireo.
Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.
Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian’Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana.
nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.