Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.
«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.