Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 16:14 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.

Jereo ny toko



Eksodosy 16:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.


Nangataka ireo, dia nandefasany papelika; ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.


Izy no mandatsaka orampanala toa volon’ondry, sy mamafy fanala toa lavenona,


dia nandrotsahany ny mana ireo ho sakafony, vary avy any an-danitra no nomeny azy.


Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.


Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO.