Toy izany no namonjen’ny TOMPO an’i Hezekià sy ny mponin’i Jerosalema tsy ho azon’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria na ho azon’ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
Eksodosy 14:30 - DIEM PROTESTANTA Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izany no namonjen’NY TOMPO ny Israely mba tsy ho azon’ny Ejiptiana tamin’izany andro izany; ary hitan’ny Israelita teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Ejiptiana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. Baiboly Katolika Koa novonjen’i Iaveh ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptianina i Israely tamin’izany andro izany, ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. Baiboly Protestanta Malagasy Izany no namonjen’i Jehovah ny Isiraely tamin’izany andro izany mba tsy ho azon’ny Egyptiana; ary hitan’ny Isiraely teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Egyptiana. Malagasy Bible Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. La Bible en Malgache Toy izany no namonjen’NY TOMPO ny Israely mba tsy ho azon’ny Ejiptiana tamin’izany andro izany; ary hitan’ny Israelita teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Ejiptiana. |
Toy izany no namonjen’ny TOMPO an’i Hezekià sy ny mponin’i Jerosalema tsy ho azon’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria na ho azon’ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
Tsy mbola tonga kirihitra akory ny tsilo novolen’ny olon-dratsy, dia hongotan’ny tafiotra sahady na mbola maitso na efa maina.
Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.
Tamin’izay ny vahoakan’Andriamanitra dia nahatsiaro ny tantarany fahiny, dia izay tamin’ny andron’i Mosesy: «Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin’ny ony, Ilay ho mpiandry ny andianondriny? Nankaiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy?
Hoy ny TOMPO ny amin’ny Israelita hoe: «Tena vahoakako tokoa ianareo, zanaka tsy handiso fanantenana Ahy.» Ka dia tonga Mpamonjy azy ireo ny Tompo
tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.
Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»
Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.
Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino,
Dia hoy ny TOMPO tamin’ny Israelita: –Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina
Fa hoy kosa i Saoly hoe: –Tsy tokony hisy olona hovonoina ho faty amin’ny andro toy izao, satria androany no nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’i Israely.
Toy izany no nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’i Israely tamin’izay andro izay. Nitatra ankoatran’i Bety-Avena ny ady.