Eksodosy 14:2 - DIEM PROTESTANTA –Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Py-Hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina. Eo akaikin’i Baala-Zefona, tandrify azy, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina. Baiboly Katolika «Mitenena amin’ny zanak’i Israely; aoka hiova lalana izy ka handroso hitoby eo anoloan’i Fihahirôta, anelanelan’i Magdalôma sy ny ranomasina, tandrifin’i Beelsefôna; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin’ny ranomasina.» Baiboly Protestanta Malagasy Lazao amin’ny Zanak’Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Pi-hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina; eo akaikan’i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina. Malagasy Bible Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina. La Bible en Malgache Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Py-Hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina. Eo akaikin’i Baala-Zefona, tandrify azy, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina. |
Dia hiteny ny Farao hoe: «voan’ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin’ny taniefitra.»
Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.
Nisy hafatra tonga tamin’i Jeremià ho an’ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tanànan’i Migdôla sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin’ny faritanin’i Patrôsa. Ka hoy i Jeremià taminy:
Ambarao any Ejipta ny vaovao ary ampandreneso ao Migdôla sy ao Memfisa ary ao Tahapanehesa, ka ataovy hoe: «Mivonòna hiady ary miomàna, fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao.»
Noho izany dia hirotsaka hamely anao sy ny oninao Aho. Horavako i Ejipta, hataoko lao manomboka eo an-tanànan’i Migdola any avaratra ka hatrany an-tanànan’i Asoana sy ny sisin-tanin’i Etiôpia any atsimo.
Ary nony navoakako avy tany Ejipta ny razanareo, dia tonga teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara; nefa ny Ejiptianina nanenjika azy hatreo an-kalesy sy an-tsoavaly.