Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.
Eksodosy 14:18 - DIEM PROTESTANTA Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa asehoko ny voninahitro amin’izay ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro. Baiboly Katolika Ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho, rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.» Baiboly Protestanta Malagasy dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Malagasy Bible dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. La Bible en Malgache ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa asehoko ny voninahitro amin’izay ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. |
Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.
Nohidiany ny kodiaran’ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: –Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!
Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.
Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.
Noho izany, dia lazain’ny TOMPO fa hahafantatra ny maha IZY AZY ianao amin’ity indray mandeha ity. Hokapohiko amin’ity tehina eto an-tanako ity manko ny ranon’i Neily, dia hiova ho ra.
Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely anao Aho, ry Tsidôna, ary homem-boninahitra eo afovoanao. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO, rehefa hampihariko aminao ny didim-pitsarako ary hasehoko eo aminao ny maha Andriamanitra masina Ahy.
Hovàko ho tany ngazana i Ejipta, ka ny zavatra nameno azy dia hofongorako tsy hisy intsony ary haringako ny mponina rehetra ao aminy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.›
Hanafika an’i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan’izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Gôga, mba hieken’ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin’ny hamelezako anao.