Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:39 - DIEM PROTESTANTA

Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:39
5 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian’izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.


Noho izany, dia nentin’ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka.


Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.