Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:22 - DIEM PROTESTANTA

Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandidy ny vahoakany rehetra i Farao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia atsipazo any amin’ny ranon’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandidy ny vahoakany rehetra i Farao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia atsipazo any amin’ny ranon’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony afaka roa taona teo, dia nanonofy ny Farao: Nijoro teo amoron’i Neily hono izy,


Ny fon’ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin’ireo mpanompony.


ka nanao hoe: –Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.


Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe: –Zanaka Hebreo ity!


Fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy izy sady dodona erỳ handatsa-dra.


Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?


Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.


Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.


Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy. Hitany manko fa zazakely mahafatifaty i Mosesy, ka tsy natahorany izay baikon’ny mpanjaka.