Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»
Daniela 7:26 - DIEM PROTESTANTA Avy eo dia ho avy ny fitsarana any an-koatra ka hesorina amin’io biby io ny fiandrianany izay horavana sy holevonina hatramin’ny farany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hanomboka ny fitsarana ary hesorina ny fahefany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia ho avy ny fitsarana any an-koatra ka hesorina amin’io biby io ny fiandrianany izay horavana sy holevonina hatramin’ny farany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy. Malagasy Bible Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy. La Bible en Malgache Dia hanomboka ny fitsarana ary hesorina ny fahefany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy. |
Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»
ambara-piavin’ilay Antidahy ka nanomezany rariny an’ilay vahoakan’ny Avo Indrindra. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon’io vahoaka io ny fanjakana.
Ary rehefa hiseho ilay mpanao ratsy, dia ny fofonaina avy amin’ny vavan’i Jesoa Tompo no hahafaty azy ary ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra no hanafoana azy.
Tamin’izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon’ilay tanàna ary olona fito arivo no matin’io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.
Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.
fa mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana ataony, satria Izy efa nanameloka ilay vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangàny, ary efa namaly azy noho ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra efa nalatsany.»