Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 7:22 - DIEM PROTESTANTA

ambara-piavin’ilay Antidahy ka nanomezany rariny an’ilay vahoakan’ny Avo Indrindra. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon’io vahoaka io ny fanjakana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ambara-piavin’Ilay Lahiantitra izay nanome rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra ka tonga koa ny fotoana nandraisan’ny olo-masina ny fanjakana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ambara-piavin’ilay Antidahy ka nanomezany rariny an’ilay vahoakan’ny Avo Indrindra. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon’io vahoaka io ny fanjakana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan’ny olo-masina ny fanjakana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ambara-piavin’Ilay Lahiantitra izay nanome rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra ka tonga koa ny fotoana nandraisan’ny olo-masina ny fanjakana.

Jereo ny toko



Daniela 7:22
17 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpivavaka anie hientanentana hanome voninahitrav ny Tompo; hanao hobin-kafaliana anie ireo na dia mandritra ny alina aza,


Fa efa tao am-poko tao izao andro famaliana izao, satria tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.


Aorian’izany dia ho lasan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra ny fanjakana ho fananany mandrakizay mandrakizay.


Izao no nambarany: «Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin’i Israely.


Ary rehefa hiseho ilay mpanao ratsy, dia ny fofonaina avy amin’ny vavan’i Jesoa Tompo no hahafaty azy ary ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra no hanafoana azy.


ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an’Andriamanitra Rainy. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen.


Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.


«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.


Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo mba hanompo an’Andriamanitsika sy hanjaka etỳ ambonin’ny tany.»